MSK: HANOHANA OLIRAVINA 2022

MSK: HANOHANA OLIRAVINA 2022

Noraisin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO tetsy amin’ny birao fiasany Nanisana ny oliiravin’i Madagasikara taona 2022, Antsaly RAJOELINA niaraka tamin’ny Komity mpikarakara ny fifaninanana Miss MADAGASCAR.

I Antsaly RAJOELINA indray no hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana Miss Monde amin’ity taona ity izay ho tanterahina ny volana Desambra izao. Ny adisisika amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy tanora niharan’ny herisetra ara-nofo no iompanan’ny asa sosialy ataony ao anatin’ilay « Beauté pour cause » izay hitsarana ireo Miss rehetra mandray anjara amin’ny Miss Monde.

Vonona hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, manohana ireo tanora malagasy mitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy any ivelany tahaka ny fahavononan’ireo oliravina misafidy tranga iray ho tohanana.