TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

Nodiovina ny lalana miainga avy eto amin’ny Fokontany Besakoa Radio Say teo aloha hatrany amin’ny Fokontany Ambohitsabo ary mivoaka any Anketrake.Ireo no asa natao tao anatin’ny TAGNAMARO ny Asabotsy faha 18 Jiona 2022 teo, hoan’ny Fitaleavam-paritry Serasera sy ny Kolontsaina ato Atsimo-Andrefana, niarahana tamin’ireo fikambanana sy sampan-draharaha miankina sy tsy miankina @ Fanjakana ary ireo Mpitandro filaminana eto Toliara, nanampy betsaka ihany koa ny avy ao Kaominina Toliara I.

Nosafidina manokana ity lalana ity satria anisan’ny be mpampiasa ary mampifandray ireo mponina ato amin’ny tapany andrefan’ny Toliara renivohitra indrindra fa amin’izao akaikin’ny fetim-pirenena izao.Tampilaminana tanteraka no nanatanterahana ny asa soa iombonana hoan’ny rehetra teto.