FAMPANDRENESANA AVY AMIN’NY AKADEMIA NASIONALIN’NY ZAVA-KANTO SY NY KOLONTSAINA NA ANAC

Fampandrenesana avy amin’ny Akademia nasionalin’ny 𝚉𝚊𝚟𝚊-𝚔𝚊𝚗𝚝𝚘 sy ny 𝙺𝚘𝚕𝚘𝚗𝚝𝚜𝚊𝚒𝚗𝚊 na 𝔸ℕ𝔸ℂ.

Hosokafana mialohan’ny fidirana amin’ny volana Septambra ho avy izao ny fampianarana mihira anatin’ny antoko mpihira ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe mba ahafahan’ny mpianatra misitraka ny fampiofanana maimaimpoana mandritry izao fotoana fialan-tsasatra izao.

Ilàna fahaizana manokana ny fihiràna anaty antoko mpihira, noho izany dia ianarana ihany koa ny fanarahana ny baikon’ny mpitarika, ny famakiana naoty sy solfa, ny karazana ban-kira faheno eran’izao tontolo izao na ny taloha na ny ankehitriny, na hiram-pivavahana na hiram-bakoka, ka azo iarahana manatontosa amin’ireo mpitarika avy any ivelany.

Indroa isan-kerinandro ny fiofanana ary misy ny antoko mpihira ho an’ny ankizy (06 hatramin’ny 15 taona), sy ho an’ny olon-dehibe (16 noho miakatra).

Ny fampisehoana kosa dia in’efatra isan-taona farafahakeliny.

Ho an’ireo izay mikasa ny hiditra dia afaka manatona ny biraon’ny ANAC Sampana Analamanga manomboka ny alatsinainy 27 jona ho avy izao.

Toy ny fampianarana rehetra ao amin’ny Akademia ANAC dia ahazoana mari-pahaizana sy Crédits io fiofanana io rehefa vita soa aman-tsara.