FILANKEVITRY NY MINISITRA NY ALAROBIA 22 JONA 2022
Fampitana am-bava maromaro no nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina ny 22 jona 2022. Anisan’izany ny:
• fampahafantarana ny “Évaluation Nationale des Risques de Blanchiment de Capitaux, le Financement du Terrorisme” eto Madagasikara (taona 2015 hatramin’ny 2017).
• fampitàna am-bava momba ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola eo amin’ny Repoblikan’i MAdagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Fampandrosoana (IDA) mikasika ny tetikasa fahafaha-miatrik’ireo rafitra ara-tsakafon’i Madagasikara, mitentina 158,1 tapitrisa dolara
• Noraisina ihany koa ny volavolan-dalàna manova ny fitsipika mifehy ireo tanin’olon-tsotra tsy misy “titre”. Tsy voakasik’ity volavolan-dalàna ity ireo faritra arovana (aires protégées) sy ireo izay voakajy ho tanim-panjakana.
Afaka tsidihina amin’ity rohy manaraka ity, izany tatitry ny Filankevitry ny Minisitra ny datin’ny 22 jona 2022 izany: