π™΅π™°π™Όπ™Ώπ™Έπšπ™°π™½πšƒπ™Έπ™°π™½π™° π™Έπšπ™΄π™Ύ 𝙰𝙽𝙢𝙾𝙼-π™Ώπ™Έπ™Ίπ™°πšπ™Ύπ™·π™°π™½π™° Β«Β π™½πšˆ 𝙡𝙸𝙰𝙽𝙳𝙾𝙷𝙰𝙽’π™½πšˆ π™Όπ™°π™»π™°π™Άπ™°πš‚πšˆΒ Β»

Herinandro nanombohan’ny hetsika fampirantiana maimaim-poana ireo angom-pikarohana Ny Fiandohan’ny Malagasy etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, maro ny olom-pirenena no liana ka tonga mitsidika ny ranty mba hahafantatra ny tantara sy ny tena zava-misy marina.

Tsy nanavahana ny fitsidihina ny fampirantiana fa saika hita teny an-toerana avokoa ny sokajin-taona rehetra, indrindra fa ny mpianatra. Androany, niara-nitsidika ny ranty tamin’ireo mpianatra avy ao amin’ny LycΓ©e privΓ© Akany Loharano eny Ambohimangakely, sekoly izay mifototra amin’ny fampianarana ranoray amin’ny teny malagasy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.

Zava-dehibe hoy izy ny fampitana sy ny fampahafantarana amin’ny taranaka fara mandimby, indrindra fa ny kilonga mpianatra ny tantara mamaritra ny tena fiandohan’ny Malagasy.

Nanolotra boky Β« Ny Fiandohan’ny Malagasy Β» sy Β« Ny Soatoavina Malagasy Β»hapetraka ao amin’ny trano famakiam-bokin’ny Sekoly ihany koa androany Ramatoa Minisitra araka ny fangatahana nentin’ny tompon’andraikitra.

𝟠 π•§π• π•π•’π•Ÿπ•’ aty aorian’ny namoahana sy nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny angom-pikarohana Β« π™½πš’ πšπš’πšŠπš—πšπš˜πš‘πšŠπš—’πš—πš’ π™ΌπšŠπš•πšŠπšπšŠπšœπš’ Β» tany π•„π•’π•Ÿπ•’π•Ÿπ•›π•’π•£π•ͺ, manohy hatrany ny fampielezana hanoroana sy hanitsiana ny olom-pirenena amin’ireo hevi-diso hatramin’izay ny π•„π•šπ•Ÿπ•šπ•€π•šπ•₯π•–π•£π•’π•Ÿ’π•Ÿπ•ͺ π•Šπ•–π•£π•’π•€π•–π•£π•’ 𝕀π•ͺ π•Ÿπ•ͺ π•‚π• π•π• π•Ÿπ•₯π•€π•’π•šπ•Ÿπ•’. Ny boky Β« π™½πš’ πšπš’πšŠπš—πšπš˜πš‘πšŠπš—’πš—πš’ π™ΌπšŠπš•πšŠπšπšŠπšœπš’ Β» izay mandravona ny antontan-kevitra rehetra manaporofo ny fizina ara-kolontsaina (πš’πšπšŽπš—πšπš’πšΓ© πšŒπšžπš•πšπšžπš›πšŽπš•πš•πšŽ) sy ny maha izy ny firenena (πš’πšπšŽπš—πšπš’πšΓ© πš—πšŠπšπš’πš˜πš—πšŠπš•πšŽ).

Haharitra 1 volana ny fampirantiana ary maimaim-poana ny fitsidihina izany.