« NY FITIAVAKO NY TANINDRAZAKO MAMELONA NY HAMBOMPOM-PIRENENA »

Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy ny fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia mamerina etoana ny fiarahabana ny malagasy rehetra nahatratra an’izao tsingerin-taona faha-62 taona niverenan’ny Fahaleovantena izao.

Araka ny tatitra azo avy any amin’ny lafy valon’ny nosy, amin’ny ankapobeny dia nanjakan’ny Fifaliana sy Filaminana ary Fifankatiavana sy Firaisan-kinan’ny malagasy rehetra tsy an-kanavaka ity Asaramanitra Fetim-pirenena 2022.