NORAISIN-DRAMATOA MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO TAO AMIN’NY BIRAONY I NASSER GHIVALLA

Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO tao amin’ny biraony ny faran’ny herinandro teo Andriamatoa Nasser GHIVALLA, izay tsy iza fa Filoha Tale Jeneralin’ny NAS PROD, mpikarakara ny mpanakanto vahiny malaza ankehitriny toa an’i Maître Gims, Dadju, Tayc sy ny maro hafa; sady mpikarakara mpanao fanatanjahan-tena kalaza toa an’i Karim Benzema; ary mpamokatra fampisehoana ara-javakanto matihanina ihany koa.

Nandalo teto Madagasikara izy sy ny ekipany, ka maniry indrindra izy ny hiara-hiasa akaiky amin’ny fitondrana malagasy, mba hampiroboroboana ny kanto malagasy, indrindra mba hanosehana ireo mpanakanto malagasy hirotsaka amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nandritra ny fihaonany tamin-dRamatoa Minisitra sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Andriamatoa Francis RAZAFIARISON, no nifanakalozana hevitra sy nanapahana an’ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta ho fampivoarana ny artista malagasy.

Marihana fa teraka teto Madagasikara Andriamatoa Nasser GHIVALLA ka izay no antony manosika azy te hanampy betsaka ny tanora malagasy. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny hametrahana fandaharan’asa fampiofanana ireo artista malagasy mba ho matihanina amin’ny fikirakirana ny mozika, ary kasaina ho apetraka eo anivon’ny AKADEMIAM-PIRENEN’NY ZAVAKANTO SY NY KOLONTSAINA (ANAC) izay tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA izany.