FANOLORANA NY TRANON-KALAN’ NY IVOTORO : WWW.IVOTORO.MG
Natolotra androany tranon-kala www.ivotoro.mg
19 volana taorian’ny nitokanan’ Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA ny IVOTORO ao Nanisana, dia natolotra androany 01 jolay 2022 tao amin’ny hôtel Centell Antanimena ny tranon-kala WWW.IVOTORO.MG, izay dingana fanohizan’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolotsaina ny fandraisana anjara amin’ny Velirano fahatelon’ny Fitondram-panjakana dia ny « Fanjakana tsara tantana sy ady amin’ny kolikoly ».
Koa sady fanamafisana ny fidiran’ny fanjakana amin’ny sehatry ny « Digitalisation », mba hanamora sy hanafaingana ny tolotra torolalana sy filan-kevitra ary toro-hay avy amin’ireo Minisitera sy Andrim-panjakana isan’ambaratongany.
Azo tsapain-tanana hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ny fivoarana sy fisandrahaky ny asan’ity fitaleavana IVOTORO, izay vao nahazo ny « Prix de l’innovation » avy amin’ny Minisiteran’ny Asam-panjakana, porofon’ny fananany toerana eo anivon’ny raharaham-panjakana.
Mihamaro hatrany koa moa ny olona efa nampiditra ny IVOTORO ao anatin’ny fahazarany.
Ny Minisitera dia mitohy manentana ny vahoaka mba hanjifa ireo tolotra ireo, no sady mamporisika ny sampandraharaham-panjakana rehetra, mba handefa ny torohay ilaina hanatevenana ny efa eo am-pelatanan’ny IVOTORO, indrindra moa raha misy ny fiovana eny anivon’ireny Minisitera sy Sampan-draharaham-panjakana samihafa ireny.
Tsy hadinon-dRamatoa Minisitra ny nisaotra sy nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, toy ny CSI (Conseil Supérieur pour la Sauvefarde de l’Intégrité) sy ny Organisation Internationale de la Francophonie, sy ireo sasany hafa izay samy notolorana mari-pankasitrahana avokoa androany.
#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina
#640
#Organisation_Internationale_De_La_Francophonie