FITOKANANA NY « ANNEXE ALLIANCE FRANCAISE » TAO AMBATOLAMPY

FITOKANANA NY « ANNEXE ALLIANCE FRANCAISE » TAO AMBATOLAMPY

Notokanana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny Tranobe « annexe Alliance Française» ao Ambatolampy, izay miankina amin’ny foibem-paritra ao Antsirabe.

Araka ny nambaran’Andriamatoa Geoffrey Félix Talen’ny Alliance Française Antsirabe dia vaky boky sy eterineto ary fianarana teny frantsay no tolotra efa misy, izay tena anatin’ny filàn’ny vahoakan’ny Distrikan’Ambatolampy indrindra fa ny tanora.

Ary hanaraka tsy ho ela ny tolotra fampiofanana amin’ny fahaiza-manao samihafa sy programana fampisehoana ary fampirantiana.

Indrindra fa ny fampiofanana teny frantsay hahazoana ny diplaoma DALF sy DELF izay tena anisan’ny ahafantarana ny Alliance Française hatrizay.

Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO kosa, amin’ny maha-Minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra sy amin’ny maha-Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina azy, no nitokana ity « Annexe » Alliance Française eto Ambatolampy ity.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany izy no nitantara fa tamin’ny fahazazany, fony mbola mpianatra ambaratonga voalohany sy faharoa, dia tao amin’ny Alliance Française tao Antsirabe no anisan’ny nianarany ho tia vaky boky, nilalao « théâtre », nilalao ireo « kilalao fanitaran-tsaina » (jeux de société) isan-karazany.

Izany hoe tena nanampy betsaka tamin’ny fikoloana ny saina ny fisian’ny Alliance française ka naniry izy mba ho afaka hitondra soa ho an’ny ankizy sy ny tanora, tahaka ny soa rehetra notovoziny tao amin’ny Alliance française tamin’izany, ny fisian’ity sampan’ny Alliance française Antsirabe ao Ambatolampy ity.

Nanentana ny rehetra izy indrindra ny tanora, tsy hisalasala hanatona hisitraka sy hanjifa ireo tolotra rehetra voalaza etsy ambony.

Niara-nanotrona an-dRamatoa Minisitra teto Ambatolampy tamin’izao lanonam-pitokanana izao koa ireo Masoivoho frantsay eto Madagasikara Andriamatoa Christophe BOUCHARD sy ny Masoivohon’ny Konfederasiona Soisy Andriamatoa Chasper SAROTT; ny tompon’andraikitry ny Alliance Française, ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ambatolampy, ary ireo manam-pahefana avy any Vakinankaratra.

#minisiteran_ny_serasera_sy_kolontsaina

#alliancefrancaise