IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO: Hanomboka ny 12 Jolay izao.

IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO: Hanomboka ny 12 Jolay izao.

Ho fanohizana ny tantsoroka entin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ireo mpisehatra amin’ny kolontsaina marolafy, ho tanterahina manomboka ny 12 Jolay izao hatramin’ny 12 Aogositra 2022 ny hetsika iray volan’ny sary hosodoko.

Hizara roa miavaka tsara ny hetsika, ka ny tapany voalohany dia etsy amin’ny Analakely, ka ho ravahana ny fampirantiana amin’ny sangan’asan’ireo mpandray anjara ny fefy vy manodidina ny zaridaina rehetra etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena.

Ny tapany faharoa kosa dia ny fampirantiana anaty trano iarahana amin’ireo mpiara-miasa, toy ny etsy amin’ny IVOKOLO Analakely mazava ho azy, ny ao amin’ny Hall Lapan’ny Tanàna, ny etsy IKM Antsahavola, CGM, manoloana ny zaridaina Antaninarenina, Alliance Française Andavamamba ary ny eny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity hetsika ity mba ahafahan’ireo mpanakanto mivelona amin’ny sangan’asany amin’ny maha varotra fampirantiana azy.

Hisy ihany koa ny hetsika mifandraika amin’izany any amin’ny Faritra, karakarain’ny fitalevam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

#Iray_volan’ny_sary_hosodoko