IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra ATSIMO ANDREFANA
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Talata 12 Jolay 2022 ny hetsika « Iray volan’ny Sary Hosodoko » teto Toliara, notarihin’ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana mpisolo toerana izay notronin’ireo solontenam-panjakana nasaina sy ireo mpanakanto mpandray anjara ary ireo olona maro samihafa nasaina.
Toerana:
Herinandro voalohany: manoloana ny Birao Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana eto Tsenengea.
Herinandro faharoa: hatao eo Ankilisoafilira Bazary be.
Ho fantatra miandalana ny fandaharam-potoana mandritra ny herinandro roa farany.
30 ny isan’ireo sangan’asa naranty
Isan’ny mpanao hosodoko: 25 no nisoratra anarana, 05 kosa no efa tonga mandranty:
RANDRIAKOTO Jeannot Christian
LEANDRE àMaxime Crosse
RALISON Anjara Maxime Crosse
ANDRIABOAVONJY Jean Richard
STEPHAN Lesmerveilleux
Mitovy amin’ireo Fitaleavam-paritra hafa hatrany ny tanjona, dia sady fampahafantarana an’ireo mpiangaly sary hosodoko aty an-toerana, no fanokafana lalam-barotra ka ahafahan’izy ireo mivelona amin’ny talentany ihany koa.
Hisy ihany koa ny fampisehoana mivantana ny sary hosodoko andraisan’ireo mpanakanto anjara.
Hisy fanentanana maro isan-karazany sy fampiofanana mba itarihana ireo vao manomboka misokatra amin’ity asa sary hosodoko ity satria asa fivelomana izy ity no sady fanadratana avo ny haren-kolontsaina.