IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra BETSIBOKA

IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra BETSIBOKA

Ao amin’ny CLAC Maevatanana no anaovana ny Fampirantiana ny sangan’asan’ireo mpanao hosodoko eto amin’ny Faritra Betsiboka izay haharitra iray volana nanomboka ny 12 Jolay 2022.

Amin’izao fiandohan’ny « Iray volan’ny sary hosodoko » izao dia mpanao hosodoko roa no mandray anjara:

– Emile ZAFILAHY (Maev’art)

– Elyda RAKOTOARIMANANA (Artimes)

Ity fampirantiana ity dia natao indrindra hampahafantarana kokoa ireo mpanakanto mivoy ity sehatra ity hoan’ireo mpankafy.

Sehatra iray ahafahana manohana azy ireo ihany koa hampiroborobo sy hampivoatra ny talenta ananan’izy ireo.