IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra ATSINANANA

Mandray anjara mavitrika amin’ny « Iray volan’ny sary hosodoko andiany voalohany » karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ny Fitaleavam-paritra aty Toamasina.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 jolay tao amin’ny efitrano fampirantiana MASÔVA 501 izany, ka mpiangaly sary hosodoko 05 no mandray anjara nisantarana izany:

– Tao Haingo Ts’Art

– Noelo

– Bika

– Noël

-Lucien

Azo lazaina fa efa miroborobo ity zava-kanto ity eto Toamasina, ary efa maro ny mpanjifa izany.

Zava-dehibe anefabity hetsika karakarain’ny Minisitera ity satria tombony lehibe ho fampahafantarana an’ireo mpana-talenta vao misandratra.