ππ°πΆπ½π°πΌπ°ππΎ π·5 πΉolay πΈπΆπΈπΈ Ity no andiany faha-7 π³πΈππππΈπΊπ° πΌπ°π½πΉπ°πΊπ°π½π³ππΈπ°π½π°.
Araka ny tetiandro efa napetraka, dia notanterahina omaly Zoma 15 Jolay ny anjaran’ny Kaominina AMBOHITRONY ANDRIAMPAMAKY, izay andiany faha-7 tanterahina anatin’ny Distrika. Ny Biraon’ny kaominina sy ny tranobe fanaovam-pety no natsaraina sy nolokoina ka tontosa androany ny asa.
Nifamotoana teto an-toerana nanatanteraka izany ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina notarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra.
Naneho ny fahafahampony avokoa ireo tompon’andraikitra sy olom-boafidy aty an-toerana, izay samy nanambara fa ankoatra ireo foto-drafitrasam-bahoaka voajary, dia eo ihany koa ny voka-tsoa nentin’ny lΓ lan-tsaina TAGNAMARO izay efa ampiharina amin’ny sehatra hafa izay mamerina ny soatoavina firaisan-kina sy fifanomezan-tΓ nana.
Hafatra avy amin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ho an’ireo tompon’andraikitra aty ifotony, ny mba hanohizana izao fiaraha-misalahy izao hatrany.
Efa hita taratra moa izany, toy ny ataon’ireo Ben’ny tanΓ na mifanolo-bodirindrina izay miara-mifanome tΓ nana isaky ny hetsika Tagnamaro karakaraina.