TAGNAMARO AMORON’I MANIA.
Fanaovana aro afon’ ireo zana-kazo 12000 fototra novolena tao Begoaika CR Soavina n’y volana Jolay 2021 no natao tamin’ity Tagnamaro volana Jolay ity.
Natao izao aro-afo izao hoy ireo tompon’andraikitra mba hiarovana ny zana-kazo amin’ny doro-tanety.
Mitarika izany ny Foibem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Amoron’i Mania tarihin’ny talem-paritra RAHELINORO Lalanirina Noelle sy ny Préfet Ambositra RAKOTOMALALA Richard, ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ny Foibem-paritry ny tontolo ianana sy fampandrosoana lovainjafy.
85 %ny zana-kazo novolena teto no naniry.