TAGNAMARO ANTSOHIHY

TAGNAMARO ANTSOHIHY

Iray amin’ireo sekoly tsy miankina tranainy indrindra eto Antsohihy ny Sekoly FANILO, izay nanomboka nanabe ny zana-bahoaka ny 5 Septambra 1994.

Mpianatra maro no efa nivoaka tato amin’ity sekoly ity, ary betsaka amin’izy ireny no mitazona andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

30 taona latsaka kely no nanabeazana ny zaza sy tanora Malagasy ny sekoly.

Raikitra araka izany tamin’ity andron’ny Asabotsy 16 Jolay 2022 ity ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena izay karakarain’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina, ka ny asa fanajariana ireo seza sy dabolio fipetrahan’ny mpianatra no natao teto.

Niaiky teto ny Filohan’ny FRAM izay nisolotena ny Ray amandrenin’ny mpianatra fa tena mipaka amin’ny ray amandreny isan-tokatrano tokoa izao Tagnamaro natao androany izao, satria mampihena ny fandaniam-bolan’ny ray amandrenin’ny mpianatra manoloana ireo mety ho fikojakojana atao amin’ity sekoly ity izao Tagnamaro izao, ka nitondrany teny fisaorana ho an-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO izany, noho ity farany izay nametraka izao fandaharan’asa Tagnamaro izao, ka tena misitraka ny vokatra ateraky ny Tagnamaro tokoa ny Ray amandrenin’ny mpianatra, ato amin’ny sekoly FANILO Antsohihy.