TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY
Sabotsy 16 Jolay 2022
» Apetraho ny dian-tànanao ho lovain’ny taranaka « .
Ny Tendrombohitra manan-tantara izay Vakoka eny Ikianjasoa no nanatontosana ny tagnamaro – volana Jolay 2022 ka ny » Zaridaina – Point de vue – Ambalamahatsinjo Ikianjasoa » no nodiovina ny ny lobolobo sy ny manodidina azy ny maraina ny Sabotsy 16 Jolay 2022.
Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony no nitarika ny hetsika ara-kolontsaina tagnamaro andron’ny Olom-pirenena – Volana Jolay 2022 teto izay notronon’ireo Sampan-draharaham-panjakàna sivily sy miaramila tao an-toerana (Ny avy ao amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Prefektiora Fianarantsoa sy ny Solontenan’ny avy ao amin’ny Kaominina Renivohitra Fianarantsoa, ireo Talem-paritra isan-tsokajiny sy ny mpiara-miasa amin’izay ireo, tao ihany koa ireo Filohan’ny Fokontany manodidina voakasika : Fokontany Andohanatady, Ambatomena, Ambatolahokosoa àry ny Fokontany Rova).