TAGNAMARO TSIROANOMANDIDY
Fandokona ny toerana fanasan-damba, fanarenana ny lalan-drano, fanadiovana lalana no niantefan’ny hetsika tagnamaro andron’ny olompirenena tamin’ity volana ity ka tao Morafenokely faritra faha dimy amin’ny fokontany Mangarivotra kaomina ambonivohitra Tsiroanomandidy no nanantaterahana izany. Tafita any amin’ireo mponina ny lalantsaina noetina nitondrana ny tagnamaro.