IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO

Faritra VAKINANKARATRA

Mandray anjara mavitrika ireo mpanakanto mpiangaly sary hosodoko ao Antsirabe,

Toerana: efitrano malalaky ny Lapan’ny tanàna.

Mpandray anjara: miisa 20 izy ireo hatreto ary antenaina mbola hitombo izany. Avy eto Antsirabe sy ny manodidina ny ankamaroan’izy ireo.

Tonga maro ny mpitsidika ary liana tokoa.

Ankasitrahin’ireto mpanakanto ity hetsika « Iray volan’ny sary hosodoko andiany voalohany » karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina, satria manome sehatra ahafahan’ny sarababem-bahoaka azy ireo bebe kokoa.