TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Maherin’ny 90% tamin’ireo zanakazo novolena tao amin’ny lohasaha ao Ambodiakondro izay mamatsy rano fisotro madio ny tanànan’Ambatondrazaka no may vokatry ny doro tanety isan-taona.

Nandritra ny hetsika TAGNAMARO notanterahana androany sabotsy 16 jolay 2022 no nanaovana aro afo 10 metatra ny sakany ho fisorohana ny fahamaizan’ity toerana ity.
Nitarika izany ny avy ao amin’ny Prefektiora sy ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina niaraka tamin’ireo mpiasan’ny JIRAMA.