TAGNAMARO MANAKARA

Fikarakarana tokotany sy zaridainan’ny isaky ny Sampandraharaham-panjakana no endriky ny TAGNAMARO tao MANAKARA, renivohitry ny faritra FITOVINANY, tamin’ity volana Jolay ity.

Anisan’ny niavaka indrindra ny tao amin’ny tokotanin’ny FITALEAVANA IRAISAM-PARITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA satria dia tonga nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny fikambanana TSIAFARA-Madagascar izay fikambanana anisan’ny milatsaka an-tsitrapo aty amin’ny Faritra ary efa nandray anjara matetika tamin’ireo TAGNAMARO andiany teo aloha.