IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra MENABE
Ny Talata 19 jolay no nanomboka ny « Iray Volan’ny Sary Hosodoko » aty Morondava, ho an’ny Faritra Menabe.
Miara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ny Fitaleavam-paritra aty Menabe, manatratra ny tanjon’ity fandaharan’asan’ny Minisitera, dia ny fanomezana sehatra an’ireo mpanakanto mpiangaly sary hosodoko aty Morondava, mba ahafahany mifankafantatra amin’ny sarababem-bahoaka ary koa mivelona amin’ny famarotana ny sangan’asany.
Ny sehatry ny Fizahan-tany moa no tena efa manjifa ny sangan’asa sary hosodoko aty Morondava, ka noho izany dia miara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana ny Fitaleavam-Paritry ny Fizahan-tany sy ny Sampandraharana misahana ny Kolontsaina, ka ao amin’ny Office du Tourisme no tanterahina ny fampirantiana.
Ny mpanakanto mandray anjara:
– Alex Hadjee,
– Ramahavory Du Clementino,
– Hasiniaina Kimony Norbert,
– Antoine de Padou