IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Miditra amin’ny herinandro faharoa.
Mitohy hatrany ny fankalazana ny « Iray volan’ny sary hosodoko » manerana an’i Madagasikara. Ho an’Antananarivo manokana dia efa miditra anaty toerana natokana ho an’ny zava-kanto anio ireo varotra fampiratiana ireo.
Koa ireto avy ireo toerana ahitana izany mandritra ity herinandro faharoa ity: CGM, ORTANA, JUMBO SCORE, TRANO SARY, « Bibliothèque Nationale de Madagascar » ary IVOKOLO Analakely.
Ny herinandro manaraka kosa dia miampy ny toerana mandray ny hetsika toy ny CUA, IKM ary ALLIANCE FRANCAISE.
Mitohy arak’izany ihany koa ny fampiratiana any amin’ny faritra.
Maimaimpoana daholo ny fidirana koa manasa anareo ho avy hitsidika hanome lanja ny zavakanto sy kolontsaina malagasy.