NOVEGASY AWARDS 2022.

NOVEGASY AWARDS 2022

Ambohi-pihaonan’ny mpisehatra tsy ankanavaka amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ny tetsy amin’ny Canal Olympia omaly, nandritra ny lanonana nankasitrahana ireo mpilalao mendrika sy ny horonantsary be mpanaraka indrindra ao amin’ny Chaîne Novegasy ho an’ny taona 2021.

Lanonana izay teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina rahateo ny fanomezana tosika ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika, na ny mpilalao izany na ny mpanatontosa sy ny mpamokatra amin’ny alalan’ny fampiofanana matihanina.
Eo ihany koa ny fanohanana ara-bola na « subvention » ho an’ny mpamokatra amin’ity taona 2022 ity izay nanaovan’ny ISSM ny « appel à projets » ho an’ireo trano mpamokatra liana.
Asa sy ezaka goavana manaraka ny arofenitry ny lalàna mazava (cadre légal) no mamaritra ireo fanadaharanasa entin’ny Minisitera ho fanatsarana ity sehatra ity.

Tanjona anatin’ireo fanovana entina ireo hoy Ramatoa Minisitra ny hanatsarana ny kalitaon’ny sarimihetsika malagasy mba ahafahan’ireo mpisehatra mivelina amin’izany sy mahazo tombony ihany koa, fa indrindra ny fanamafisana ny ady amin’ny piraty izay nanaovan’ny Minisitera ezaka manokana mihitsy tao anatin’ny roa taona izay, tamin’ny alalan’ny BAP.

#Minisiteran_ny_serasera_sy_ny_kolontsaina