TAGNAMARO MAEVATANANA

Amin’izao fandalovan’ny delegasiona tarihin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝕃𝕒𝕝𝕒𝕥𝕚𝕒𝕟𝕒 ℝ𝔸𝕂𝕆𝕋𝕆ℕ𝔻ℝ𝔸ℤ𝔸𝔽𝕐 𝔸ℕ𝔻ℝ𝕀𝔸𝕋𝕆ℕ𝔾𝔸ℝ𝕀𝕍𝕆 aty amin’ny Faritra Betsiboka izao, dia nikarakara 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 manokana teto Maevatanana ny Fitaleavana DPVAC izay misahana ity Fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ity, ka ny CLAC eo Morafenokely no nosafidiana niarahana nanajary.

Fanamby lehibe nitaky asa sy ezaka makadiry ny fanarenana ny CLAC, izay fotodrafitr’asa naorina tany amin’ny Repoblika voalohany nampiasaina ho ivon-toeram-panentanana teo amin’ny sehatry ny fambolena (AIR na Animation d’intérêt Rural). Tamin’ny taona 2001 no nanomboka nampiasaina ho ivon-toerana CLAC ity tranobe izay tena efa tsizarizary tokoa satria tsy nisy fanamboarana nanomboka tamin’ny taona 2000. Noho ny tsy fisian’ny fotodrafitr’asa hafa anefa dia mbola mampiasa azy foana ny tanora sy ny ankizy eto Maevatanana.

Ny asa natao:

Fanajariana sy fanatsarana ny manodidina rehetra, ary koa ny lalan-tsara miditra sy mivoaka ary ny totoha-bato rehetra;

Fanaovana lalotra sy fandokoana ny ivelany sy ny anatin’ity tranobe;

Fanatsaràna ireo fitaovana sy kojakoja rehetra ao anatiny.

Toy ny fanao isaky ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 toy izao, dia nararaotin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY hatrany ny mitondra fanentanana sy toro-làlana ho an’ny rehetra:

Zava-dehibe sy manan-danja tokoa izao asa vita izao hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO satria toerana anovozana ny soa sy fahalalana ny CLAC Maevatanana, ka izao vokatra azo izao dia holovain’ny taranaka aman-jafy.

Ny lalan-tsain’ny 𝕋𝔸𝔾ℕ𝔸𝕄𝔸ℝ𝕆 izay tsy isehosehoana fotsiny fa anaovana asa sy ezaka ahazoam-bokatra, dia mandala ny fifanomezan-tànana sy ny fiara-mientana. Ka nisaoran-dRamatoa Minisitra ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy fikambanam-behivavy miisa 54 izay niasa an-tsitrapo niaraka tamin’ny solontenam-panjakana sy ireo Sampan-draharaha ety an-toerana.

Tanjona koa ny fanatsarana endrika ny tanàna mba tsy ho fandalovana fotsiny i Maevatanana fa ho tanàna mahatamàna.