IRAY VOLANA SARY HOSODOKO

Ny hakanton’ireo zava-manan’aina no asongadin’ireo mpanakanto ao Boeny

Tanora manan-talenta efatra no mandray anjara amin’ny hetsika « Iray volan’ny sary hosodoko » eto Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny.

Ny zava-manan’aina sy ny mozika no tena asongadin’izy ireo tamin’ity androany voalohany amin’ny fampirantiana hampisongadinana ny sary hosodoko ity.

Nandritry ny fandalovany tao Mahajanga dia nitsidika ny fampirantiana sady nankahery ireo tanora mpanao Hosodoko zanaky ny faritra Boeny ireo ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO.

Tsiahivina fa misy hetsika toy izao avokoa manerana ny Nosy hatramin’ny 12 Aogositra 2022.