FANOLORANA MARI-BONINAHITRA ROA HO AN’I ANDRIAMAHAZO JOEL ISSOUBALY NA I WAWA

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA ROA HO AN’ I ANDRIAMAHAZO JOEL ISSOUBALY NA I WAWA

Notolorana mari-boninahitra roa i ANDRIAMAHAZO Joel Issoubaly fantatsika amin’ny anarana maha-mpanakanto hoe WAWA, dia ny mari-boninahi-pirenena Commandeur de l’Ordre National Malagasy sy ny mari-boninahitra Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture.

Nanolotra izany tamin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nandritra ny Festival Sômarôho andiany faha-9.

I Wawa dia mpanakanto tsy zoviana amintsika nitondra avo ny kanto Malagasy, mpanakanto feno mamiratra amin’ny sehatra ataony satria sady mpihira, mpamoron-kira, mpitendry mozika ary mpikarakara lanonana, izy no angady nananana sy vy nahitana ny Festival Sômarôho.