I RAMATOA MINISITRA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO NO NOFIDIAN’NY MPIKARAKARA NY HETSIKA (COCAN) HO RENY MPIAHY NY EKIPAM-PIRENENA MALAGASY ANKOAY VEHIVAVY
Amin’ny maha-minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra azy, koa satria any Antsirabe Vakinankaratra no atao ny lalao basket-ball fiadiana ny tompon-dakan’ny Afrika ho an’ny ekipa vehivavy latsaky ny 18 taona, dia Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO no nofidian’ny Komity mpikarakara ny hetsika (COCAN) ho Reny mpiahy ny ekipam-pirenenam-pirenena malagasy ANKOAY vehivavy.
Talohan’ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny lalao no tonga nitsidika sy nankahery ireo ekipam-pirenena Ramatoa Minisitra mivady sy ny mpiara-miasa aminy, nitso-drano azy ireo ihany koa hahaleo hahalasana, ary indrindra nirary fandresena ho azy ireo amin’ny fiarovana ny voninahitr’i Madagasikara.
Naneho ny fanohanany feno ny ekipam-pirenena malagasy Ramatoa minisitra ary izany indrindra no antony nanolorany fanamiana ho an’ny mpilalao sy ho an’ny mpanazatra sy ny ekipa teknika koa.
Nanome fanafody tahaka ny magnésium sy vitamine C ihany koa izy mba hanamafisana ny fahatanjahana ara-batana ho an’ireo mpilalaon-tsika.