AFROBASKET U18 2022

Amin’ny maha reny mpiahy ny ekipam-pirenenam-pirenena malagasy ANKOAY vehivavy, ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, dia nanolotra lelavola mitentina 2 tapitrisa Ariary ho azy ireo Ramatoa Minisitra ho fankasitrahana ny zava-bitan’ny ANKOAY, na teo aza ny faharesena nanoloana an’i Egypte omaly tamin’ny lalao manasa-dalana.

Tonga nanolotra izany, nisolotena an-dRamatoa Minisitra ny Filohan’ny Federasion’ny Tennis, Naina RAKOTOMANIRAKA, izay mpiara-miasa amin’i Ramatoa Minisitra ao Antsirabe.

Ankoatra ny fanampiana ara-bola, nisy ihany koa ny fiarahana nisakafo omaly hariva niaraka tamin’ireo mpilalaon’ny Ankoay vehivavy ho fisaorana azy ireo hatrany tamin’ny zava-bitany.

Tsy nitsanga-menatra ny firenena Malagasy tamin’ny dingana vitan’ny Ankoay vehivavy ary manantena hatrany ny ahazon’izy ireo fandresena amin’ny lalao fiadian-toerana ho amin’ny laharana fahatelo.

Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia mirary fahombiazana feno ho azy ireo sy ho an’ny Ankoay lehilahy ihany koa izay hiatrika ny lalao manasa-dalana etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.