AKON’NY FAMARANANA NY IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra DIANA
Nahatongavam-baovao ny ahy any amin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Faritra DIANA.
Natao teto amin’ny galerie 1900 Urban Space Antsiranana ny lanonana famaranana ny « Iray volan’ny sary hosodoko »:
Fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ny mpanao hosodoko nandray anjara, dia i A.J, i Alan Smith ary i O.R.
Notolorana mari-pankasitrahana torak’izany ihany koa ireo ivon-toerana niaraka niombon’antoka tamin’ny varotra fampirantiana.
Notolorana marim-pankasitrahana tamin’ny anaran-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO izy rehetra ireo.