FITAMPOHA
Fomba amam-panao lalim-paka sy manana ny lanjany eo amin’ny foko Sakalavan’i Menabe
Tontosa ny zomà 12 aogositra tao amin’ny tora-pasik’Ampasy ao Belo amoron’i Tsiribihina, ny lanonana sy ny fombafomba rehetra fampandroana ireo Dady, izay ivon’ny fomba amam-panao FITAMPOHA.
Ny Fitampoha moa dia fombandrazana Sakalava Menabe izay mifantoka indrindra amin’ny fanomezana hasina ireo Razana teo aloha, ka itondrana ireo ampahany amin’ny taolambalon’izy ireo miisa 09 izay antsoina hoe DADY, eny amorondranon’i Tsiribihina, mba hampandroina sy hanosora-menaka azy, ireo ka ireo MPIBABY no mitondra azy ireo.
Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO kosa dia naniraka ny delegasiona izay notarihin’ny Talen’ny Kabinetra Andriamatoa RASOANARIVO Haja sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina RAZAFIARISON Francis, izay nivimbina fanomezana ka natolotra ny Komity mpikarakara.
Marihina moa fa nohon’ny tsy maha eto an-tanindrazana an’Andriamatoa Filoham-pirenena sy Ramatoa Minisitra no nahatonga azy ireo avy nandefa solontena taty an-toerana.
Ny FITAMPOHA ihany koa dia vanim-potoana hijotsoana na hidinan’ny fanahin’ireo Razana amin’ny SAZOKY, ka ifampitafàny amin’ny velona sy angatahana tsodrano aminy.