AKON’NY FAMARANANA NY IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO FARITRA BETSIBOKA
Anisan’ny Faritra nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika 01 VOLAN’NY SARY HOSODOKO andiany voalohany nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny teto Maevatanana renivohitry ny Faritra Betsikoka.
Ny fizarana ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny Minisitera ho an’ireo mpanakanto nandray anjara tamin’ity hetsika ity nandritra ny iray volana, no ivon’izany lanonana izany.
Teto amin’ny efitrano famakiamboky CLAC Maevatanàna moa izany no notanterahina.
Nanamafy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Betsiboka Ramatoa LINASY Jean Evelyne fa hatao ny ezaka fampivondronana ho anaty fikambanana ireo mpanao hosodoko ato amin’ny faritra.
Mba hahafahan’izy ireo mifanerasera sy mifampizara traikefa sy mifanoro amin’ny lalam-barotra mba hampiroboroboana ity sehatry ny kanto iray ity izay efa natomboka tamin’izao andiany voalohany izao.