FESTIVAL MIMOSA 2022 – AMBATOLAMPY VAKINANKARATRA –

Hetsika ara-kolontsaina manamarika ny distrikan’Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra ny « Fety MIMOSA » efa ho 20 taona izay.

Ity zava-maniry ity izay manana ny lazany raha ho an’Ambatolampy manokana.

Miahy ny hetsika ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, izay minisitra mpiahy rahateo ny Faritra Vakinankaratra ka nandray an-tanana ny fikarakarana ity andiany 2022 ity.

Nisaotra manokana an-dRamatoa Minisitra ny Ben’ny tananan’Ambatolampy satria nitana ny teny nomeny izy, raha tsiahivina manko dia tamin’ny andiany 2021 no nisy ny fampanantenana nataon-dRamatoa minisitra hanampy sy handray an-tanana ny fikarakarana ny hetsika dia izao tanteraka androany izao.

Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny Politikam-pirenena momba ny kolontsaina ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hetsika « festival » ara-kolontsaina tahaka izao entina hanasongadinana ny maha-izy ara-kolontsaina faritra na distrika iray.

Hetsika ara-java-kanto narahina fampirantiana marolafy no nentina nanamarihana ny hetsika tamin’ity androany ity tao Ambatolampy.

Nofaranana tamin’ny afomanga natolotry Ramatoa Minisitra ny vahoakan’Ambatolampy tao anatin’ny fankalazana ny « Fety Mimoza ».