TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanohizana ny aro afo ao amin’ny lohasaha Ambodiakondro izay mamatsy rano fisotro madio an’Ambatondrazaka no nanamarihana ny hetsika TAGNAMARO, androany sabotsy 20 aogositra 2022.

Natomboka tamin’ny TAGNAMARO ny volana jolay lasa teo ny asa, ary mbola nangataka ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny JIRAMA mba hamitana izany hatramin’ny farany amin’ny hetsika manaraka. Natao izao ho fisorohana ny fahamaizan’ity toerana ity izay matetika lasibatry ny dorotanety.