TAGNAMARO MAHAJANGA FARITRA BOENY

Teto amin’ny village touristique no nanantanterahina ny hetsika tagnamaro volana aogositra hoan’ny teto amin’ny renivohim-paritry Boeny.

Ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny sisin-dranomasina izay tsapa fa harena ny faritra misy antsika no antony iray niarahana nandiovana izao torapasika izao.

Tonga teto avokoa ny olom-pirenena miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana niara nampatsiahy amin’ny mpiray tanindrazana mba tsy hanary fako eny rehetra eny fa efa misy toerana voatokana ho an’izany.

Ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny serasera sy kolontsaina eto amin’ny faritra Boeny dia mankasitraka ny rehetra niara nanantanteraka izao tagnamaro volana aogositra izao.