TAGNAMARO MATSIATRA AMBONY (Volana Aogositra 2022)
Ny fanadiovana ny toeram-piantsonana fiara mpitatitra zotra nasionaly » ao amin’ny » Stationnement atsimo Ankazondrano Fianarantsoa » no nosafidin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Matsiatra Ambony hanatontosana ny hetsika » Tagnamaro – Andron’ny Olom-pirenena » ny Sabotsy 20 Aogositra 2022 maraina ho an’ny Distrika Fianarantsoa I.
Tonga maro ny olona nasaina sy nentanina teto izay notronon’ireo solontenam-panjakana ao an-toerana (sivily sy miaramila), ireo Talem-paritra ao an-toerana, ankoatra izany dia tonga namaly ny antso ihany koa ireo Fikambanana mpilatsaka an-tsitra-po maro misy ao an-toerana.