IVONTOERAM-PIKOTREHANA ORINASAN-TSERASERA AO ANKILY IHOSY
IHOROMBE – Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel na Ivontoeram-pikotrehana orinasan-tserasera ao Ankily Ihosy:
Natao ny Alakamisy faha-18 Aogositra 2022 lasa teo ny fampiofanana milohahevitra : « Initiation à l’entrepreneuriat » na fampianarana fototra amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Nanomboka tamin’ny fisokafan’ity ivon-toerana napetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ity tamin’ny volana Mey lasa teo, dia maro ireo tanora liana te hanamafy fahalalana sy hiroso amin’ny fandraharahana.
Porofon’izany ny fihoaran’ny mpandray anjara izay tonga hatrany amin’ny 42 kanefa dia 25 ireo noraisina amin’ity andiany voalohany ity.
Tsy maintsy hojerena ny fomba ahafahana mandray an’ireo tanora rehetra ireo, satria misy ny avy any amin’ireo Kaominina ambanivohitra manodidina toa an’ny Zazafotsy, Sakalalina, Soamatasy, Satrokala…