FIKAONAN-DOHA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY LITERATIORA : NANASONGADINANA FIKAROHANA MARO MOMBA NY LITERATIORA MALAGASY

FIKAONAN-DOHA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY LITERATIORA : NANASONGADINANA FIKAROHANA MARO MOMBA NY LITERATIORA MALAGASY

Fikarohana siantifika miisa 78 momba ny literatiora malagasy toy

ny haifampianarana literatiora,

ny literatioram-paritra sy ny literatioram-pirenena,

ny anjara toeran’ireo fitaovana fampitam-baovao eo amin’ny fananganana ny tantaran’ny literatiora sy ny fitahirizana ny literatiora malagasy,

ny literatiora sy ny olana momba ny fandikana teny, ny literatiora malagasy sy ny tsikera literera,

ny hira sy ny literatiora,

ny tantara ao amin’ny tantara foronina malagasy,

ny literatiora ho an’ny ankizy sy ny tanora eto Madagasikara, ary ny literatiora sy ny fampandrosoana,

no nasongadina nandritry ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny literatiora, izay notanterahina tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ny 25 sy 26 aogositra 2022 teo.

Fotoana izay nentina nahatsiaro sy nanome voninahitra ireo mpanoratra, sady mpampianatra mpikaroka nanana ny naha izy azy amin’ny sehatry ny literatiora toa an’i Désiré Andriamiadamanana Ranaivosoa (1949-2015) Anatolie Raharimalala Raharinjanahary (1949-2017), Seth Andriamanatsilavo (1943-2020) ihany koa izany fotoana izany.

Nisy koa ny fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory izay nandraisan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina anjara, tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara – izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina – niresahana ireo fandaharan’asa sy hetsika nentin’ny minisitera hatramin’ny taona 2019 nanosehana ny fampivoarana ny literatiora.

Isan’ireo nasongidina tamin’izany ny politikan’ny boky sy vaky boky, izay nanohanana manokana ny rohin’ny boky, ary vao tsy ela akory izay ny nikarakarana fifaninanana fanoratana sombin-tantara sy tantara foronina ary amboaran-tononkalo ho fanamarihana ny iray volan’ny teny Malagasy.

Marihina fa ny “literatiora” dia isan’ireo kolontsaina sokajiana ho “harembakoka azo afindra” sy “harembakoka tsy azo tsapain-tanana” amin’ny maha kanto azy.