AKON’NY ππΈπΎβπΈππΈβπ, Aogositra πΈπΆπΈπΈ
TOAMASINA: Ho fiomanana amin’ny fidiran’ny mpianatra, dia ny Lisea Jacques RABEMANANJARA indray no nanatanterahina ny hetsika Β Β» ππΈπΎβπΈππΈβπ andron’ny olom-pirenena ny sabotsy faha 27 Aogositra 2022 teo ary ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana izay tarihin-dRamatoa Talem-paritra Aniella VOLOLONIAINA no nitarika izany .
Fanadiovana ny manodidina , fanantsarana ny zaridiana ary fandokoana ny lalantsara no niarahan’ireo olom-pirenena maro avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nanatanteraka tamin’ny alalan’ny ππΈπΎβπΈππΈβπ.
Mavitrika dia mavitrika ny fandraisana anjara an-tsitrapo nasehon’ireo olom-pirenana. Nahafoy tena sy mahafoy fotoana ho an’ity Lisea lehibe indrindra ato anatin’ny Faritra Atsinanana ity.
Isaorana ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana, ny Lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana Toamasina1 ary ny Proviseur ny LycΓ©e Jacques Rabemananjara tamin’ny fiara-miasa rehetra.
Nanome toky moa ity farany fa hanohy izao ππΈπΎβπΈππΈβπ izao eto anivon’ity lisea lehibe, mba ho fitaizaina sy fanabeazana ireo mpianatra .