MADAGASCAR – ROYAUME-UNI: Fampirantiana sary « UK in Madagascar- See Things differently » sy fampahafantarana ny vatsim-pianarana CHEVENING

MADAGASCAR – ROYAUME-UNI: Fampirantiana sary « UK in Madagascar- See Things differently » sy fampahafantarana ny vatsim-pianarana CHEVENING

MADAGASCAR – ROYAUME-UNI: Fampirantiana sary « UK in Madagascar- See Things differently » sy fampahafantarana ny vatsim-pianarana CHEVENING omen’ny firenena britanika ny tanora malagasy.

Androany Talata maraina no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny T͟R͟A͟N͟O͟ S͟A͟R͟Y͟ Ambohidahy ny fampirantiana sary izay mitanisa ireo dingana lehibe tao anatin’ny 200 taona nifandraisan’ny firenena roa tonta.

I Grande-Bretagne no isan’ireo firenen-dehibe voalohany tonga teto Madagasikara ary firenen-dehibe voalohan’ny nankatoa ny fanjakan’i Madagasikara tany amin’ny taona 1817.

Voarakitra an-tsary ao ohatra ny dian’ireo masoivoho malagasy voalohany nalefan’ny Fanjakana malagasy nitsidika ny Mpanjakavavy Victoria tany Londres, ny fanomezana nomen’ny fianakaviana mpanjaka ny Mpanjakavavy Rasoherina, ny fahatongavan’ny iraka voalohany ho an’ny fiangonana anglika teto Madagasikara sy ny maro hafa.

Eo koa ny fanazavana ny sehatra isian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy britanika tao anatin’izay 200 taona mahery izay.

Ho fanamafisana indrindra ny fiarahamiasa eo amin’ny sehatry ny kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta dia hisy ny fametrahana toerana manokana ho an’i Royaume-Uni ao amin’ny « Espace Pays », rihana fahatelo ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Ankoatra ny fampirantiana an-tsary dia hisy koa ny fampahafantarana ny Fandaharan’asa vatsim-pianarana « Bourse Chevening » izay ampisitrahin’ ny firenena britanika an’ireo tanora malagasy manomana ny mari-pahaizana Masters.

Ireo voafantika amin’izany dia afaka manovo fianarana any amin’ireo Oniversite britanika fanta-daza safidin’izy ireo toa an’i Cambridge sy Oxford. Marihina fa efa maro ireo tanora mpikaroka malagasy no nisitraka ny Vatsim-pianarana Chevening.

Ny 9 septambra 2022 ho avy izao vao hifarana ny Fampirantiana izay maimaimpoana ka hanentanana ny rehetra ho avy hitsidika, indrindra ireo tanora manam-pikasana hanohy fianarana any ivelany ka liana amin’ny vatsim-pianarana « Chevening » omen’ny firenena britanika.