FANAMBARANA MANOLOANA NY FAHASIMBAN’NY TSANGAMBATON’I JEAN FREDY SY DEDE FENOARIVO
Eo anatrehan’ny fahasimban’ny tsangambato najoro ho fahatsiarovana an’i Jean Fredy sy Dede Fenoarivo eo Fenoarivo Atsinanana, renivohitry ny faritra Analanjirofo, ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia manao izao fanambarana izao :
1- Ny minisitera, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny lafiny kolontsaina, dia manameloka tanteraka ny fanimbana fananana iombonana fa indrindra ny fananana ara-kolontsaina toy ireo tsangambato ireo, izay najoro mba hahatsiarovan’ny firenena iray manontolo ny kanto napetrak’ireo mpanakanto manana ny lazana tahaka an’i Jean Fredy sy Dede Fenoarivo.
2- Ny minisitera, amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritry ny serasera sy kolontsaina ao Analanjirofo, dia nanapa-kevitra ny hitondra ny raharaha eo anatrehan’ny mpitandro filaminana ary efa nametraka fitoriana olon-tsy fantatra (plainte contre X), ka mametraka tanteraka ny fitokisany amin’ny mpanao famotoroana ary miandry am-pitoniana ny vokatr’izany.