KIANJAN’NY HIRA GASY : TAFAPETRAKA NY VATO FOTOTRA FANOMBOHANA NY FOTO-DRAFITRASA

Sambany teo amin’ny tantaran’ny Hira Gasy no hanana foto-drafitrasa manokana manaram-penitra atolotry ny fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina entina hanandratana ity Kolontsaina mampiavaka antsika ity Madagasikara. Kianja izay natao hiseharan’ireo tarika mpanao hira gasy rehetra tsy ankanavaka, ahafahan’izy ireo mampita ny kanto amin’ny alalan’ny ventson-kira mifono hafatra.

Kianja Hira Gasy manaraka ny fenitra no hatsangana ao an-damosin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ahazaka mpijery 1000 latsaka kely, hisy ny biraon’ny Federasion’ny mpanao hira gasy, ary trano fiomanan’ny mpanao hira gasy. Tetik’asa izay iarahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina misalahy amin’ny sehatra tsy miankina ka hanampy betsaka amin’ny asa anatin’izany ny Hotel Carlton sy ny Groupe Fraise.

Maimaim-poana ho an’ny mpanao hira gasy ny fampiasana azy fa fandraisan’anjara entina mikojakoja (frais d’entretien) mba hateza ny kianja iombonana no hany hangatahana amin’ireo mpanao hira gasy hampiasa azy.

Vakoka ara-kolontsaina manan-karena ny hira gasy hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nandritra ny lahateniny ka tsy tokony ho tsinontsinoavina. Izany indrindra no nametrahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny antontan-taratasy fangatahana hampidirana ny Hira gasy ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine culturel de l’humanité immatériel) ny volana Aprily 2022 lasa teo tany amin’ny foiben’ny UNESCO Paris.

Tanjona kendrena amin’izany ny hanehoana amin’izao tontolo izao ny lanjan’ny Hira Gasy izay iavahantsika amin’ny firenena rehetra maneran-tany.