Ny fiarahamiasa ny eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena indiana eo amin’ny lafiny kolontsaina.

Nandray ny Masoivohon’i Inde miasa sy monina eto Madagasikara Atoa Abhay Kumar ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, androany maraina tetsy amin’ny biraon’ny Minisitera tetsy Nanisana.

Nifanakalozan’ny roa tonta hevitra tamin’izany ny famitàna ny famolavolana fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena indiana eo amin’ny lafiny kolontsaina.

Efa vita daholo moa ny fandrafetana azy ka miandry ny fanaovan-tsonia sisa.

Mifarana rahateo ny fotoam-piasan’ity masoivohon’i Inde eto Madagasikara ity ka nisy ihany koa ny jery todika ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta mikasika ny lafiny serasera sy kolontsaina, nahatsapa ny andaniny sy ny ankilany fa nahomby ny asa maro izay niarahana.

Mbola hihamafy rahateo izany raha vantany voasonia ny fifanaraham-piarahamiasa.

Nanolotra fanomezana boky mirakitra ny tantaran’ny sary hosodoko any Inde an-dRamatoa Minisitra ny Masoivohon’i Inde.