ORKESITRA “VOA’ART, THE NATIONAL ORCHESTRA OF MADAGASCAR : HANAO FAMPISEHOANA RINDRAN-KIRA KLASIKA NY ALAHADY 11 SEPTAMBRA 2022 ETSY FARAVOHITRA

ORKESITRA “VOA’ART, THE NATIONAL ORCHESTRA OF MADAGASCAR : HANAO FAMPISEHOANA RINDRAN-KIRA KLASIKA NY ALAHADY 11 SEPTAMBRA 2022 ETSY FARAVOHITRA

Manome fotoana antsika mpankafy mozika klasika etsy amin’ny Ekar St Jean Baptiste Faravohitra ny « Voa’art, The National Orchestra of Madagascar » ny alahady 11 septambre 2022 ho avy izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Eo ambany fitarihan’i Xavier RIBES, lehiben’ny “Angers Nantes Opera”, izay nandalo teto Madagasikara nanome fiofanana avo lenta ho azy ireo sy ny mpianatry ny Akademiam-pirenen’ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina (ANAC), dia hanolotra kaonsertra miavaka hanehoana ny sangan’asan’i Gabriel FAURÉ, mpamoron-kira frantsay, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 izy ireo mandritry ny ora iray mahery.

Tsy misy vidim-pidirana fa rakitra no hotantazana.