POETA 22 MIANADAHY MPIKAMBANA AO AMIN’NY HAVATSA-UPEM NO NAHAZO MARI-BONINAHITRA

POETA 22 MIANADAHY MPIKAMBANA AO AMIN’NY HAVATSA-UPEM NO NAHAZO MARI-BONINAHITRA

Poeta 22 mianadahy no notoloran’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina ny mari-boninahitra ny kanto, ny teny, sy ny kolontsaina na « ordre des arts, des lettres et de la culture » ny Alakamisy 08 Septambra tetsy Antsahavola nandritry ny famaranana ny fankalazana ny faha 70 taonan’ny fikambanana HAVATSA-UPEM.

Nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina nandritra izany ny Talen’ny Kabinetra izay nanasongadina ireo fandaharanasan’ny Minisitera hanohanana ny sehatry ny literatiora toy ny fikarakarana fifaninana amboara tononkalo, sombin-tantara, ary tantara foronina ho fitiliana ireo mpanoratra vao misandratra, ny famporisihina ny olona hamaky boky amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Ndao hamaky boky, na koa ny fanokafana toerana malalaka toy ny amin’ireo efitrano etsy amin’ny Tranombokim-pirenena etsy anosy, Na koa ny etsy amin’ny Ivokolo Analakely ahafahan’ny poeta sy ny mpiangaly ny hain-teny misehatra sy maneho ny kantony.

Tsiahivina fa ny 06 Septambra 1952 no nitsangana tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanàna ny HAVATSA-UPEM, izay fikambanana ivondron’ireo poeta, hanomezana lanja sy hampivoarana ny literatiora Malagasy.

#Minisiteran_ny_serasera_sy_ny_kolontsaina

#literatiora_malagasy

#HAVATSA_UPEM