Antsohihy – Sofia : Hahazo Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina.
Telo (03) herinandro izay no nanomboka ny asa fanorenana ny Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina ho an’ny faritra Sofia, izay aorina ao Antsohihy, izay renivohitry ny faritra.
Mandritry ny fandalovany tao Antsohihy dia nitsidika ny fizotry ny asa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO.
Toy ireo Tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina rehetra manerana ny Nosy dia hanana efitrano fanaovana fampisehoana hahazaka mpijery hatramin’ny 550 mahery, efitrano famakiam-boky, efitrano fampirantiana hosodoko, efitrano fivoriana sy fanaovana fiofanana ary salle informatique ho an’ny mpanao gazety ihany koa ity foto-drafitr’asa vao hajoro ao Antsohihy ity.
Ity ao Antsohihy ity no tranoben’ny Serasera sy Kolontsaina faha 15 amin’ireo aorina manerana ny Nosy.
Tsiahivina fa efa vita tanteraka ary efa miasa ny enina (06), efa andalam-pahavitana sy miandry fitokanana ny fito (07) ankoatra ny any Morondava Menabe izay mbola misy olana noho ny nihotsahan’ny tany ka tsy maintsy naverina nohamafisina, ary andalam-panorenana kosa ny telo (03).