Antsohihy | Sofia : mpanakanto 27 notolorana mari-boninahitry ny kanto, ny soratra, ary ny kolontsaina (OALC).

Mpanakanto sangany amin’ny gadona « Bahoejy », « Malesa », « Sanadera », « Osika » na koa « Antosy » miisa 27 androany no notoloran’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny mari-boninahitry ny kanto, ny teny sy ny soratra, ary ny kolontsaina tao Antsohihy, renivohitry ny faritra Sofia.

Mpanakanto ngeza sy fanta-daza manerana ny Nosy ary indrindra koa efa nitondra avo ny voninahim-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny ankamaroan’ireo mpanakanto zanaky ny faritra Sofia izay nankasitrahana manokana ireo.

Isan’ireo 27 nomena mari-boninahitra ireo ohatra i Bahoejy, izay mpamorona ny gadona Bahoejy, Din Rotsaka, Tianjama, Jean Rigo, le Jim 415, Dadi Love, Sisca, Vaney’s, Vaiavy Chila, Dah mama, Lego, Lianah, Sayah sy hafa…

Nisy tamin’izy ireo no tsy afaka nanatrika ity lanonana ity noho izy ireo mbola manao fampisehoana mitety faritra.

Ankoatra ny fankasitrahana manokana toy izao, mba hanatsarana ny sehatry ny Kolontsaina, dia manohy ny fanorenana foto-drafitr’asa ahafahan’ny mpanakanto misehatra ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary manohy hatrany ny fifampidinihana ho an’ny famolavolana ny didy fampiharana ny politikam-pirenen’ny Kolontsaina izay hamaritra ny satan’ny mpanakanto na « statut des artistes ».

Sata izay ahafahan’ny mpanakanto misitraka ny tombontsoa avy amin’ny CNAPS.

Eo koa ny firosoana amin’ny fametrahana ny karatra maha-matihanina ny mpanakanto, ary ny fanavaozana ara-drafitra ao amin’ny OMDA izay nitondra amin’ny fametrahana rindram-baiko manokana mba hahafahan’ny mpanakanto mivelona amin’ny kantony, raha ny fanazavana nentin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo nanoloana ireo mpanakanto tao Sofia nandritry ny lahateniny.