Loza an-dranomasina tao Antsohihy.

Nankahery ireo fianakaviana niharam-boina ny Mpitondra tenin’ny Governemanta sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Eo anatrehan’ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nitranga tao Ampondrabe, ao amin’ny distrikan’Antsohihy, faritra Sofia, izay namoizana ain’olona 14 (raha ny tarehi-marika vonjimaika) dia tonga nankahery ireo fianakaviana niharam-boina ary naneho ny fiaraha-miory amin’izy ireo androany Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Mpitondra tenin’ny Governemanta sady Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay iraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governement Ntsay Christian ary ny Goveremanta iray manontolo.

Ankoatra ny fanampiana avy amin’ny Governemanta dia misy ihany koa ny fiaramanidina manokana avy amin’ny BNGRC mitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana niharam-boina izay tonga any Antsohihy.

Nohamafisin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta nandritra izany fa efa samy mandray ny andraikiny avokoa ny tompon’andraikitra manoloana iny loza iny ary efa nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana mpanao famotorana sy ny rafim-pitsarana mahefa.