Fampirantiana hafa kely, miompana amin’ny fomba fandokoana « DIORAMA »

Fampirantiana hafa kely, miompana amin’ny fomba fandokoana « DIORAMA »

Hotanterahina ao amin’ny Galerie d’Art R.R RAPARIVO – IVOKOLO Analakely manomboka ny Talata 20 Septambra ho avy izao ary tsy hifarana raha tsy ny faha 04 ny volana Novambra 2022.

Ny fomba fandokoana « DIORAMA » no hoentin’ny mpanakanto Fetra RABARISON hanehoana an-tsary ireo karazan-javatra manan-danja izay tsy hita intsony kanefa mitahiry kolontsaina malagasy, ka haravon’ity mpanakanto mitambatra ao anatin’izay ny hosodoko sy modely ary pikasary.

Koa manasa antsika ho tonga maro hitsidika. Tsy misy vidim-pidirana ary misokatra amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora folakandro ny varavarana.