TAGNAMARO ANOSY
Mitohy ny fikarakarana an’ny Ampasimasay izay kianja « synthétique » fanaovam-baolina tokana eto Fort-Dauphin, ary toerana fanaovana fanatanjahan-tena sy fanazaran-tena ihany koa, tamin’ny alalan’ny Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena, tandroany asabotsy faha 17 septambra 2022.
Resy lahatra ny maro fa zava-dehibe ny hetsika Tagnamaro ho fanatsarana ny fananana iombonana , ka maro no tonga namaly ny fanasana izay nataon’ny Kômity Mpandrindra ny Tagnamaro eto Tôlagnaro izay tarihin’ny Fitaleavam-paritrin’ny serasera sy ny Kolontsaina Anôsy .
Niavaka ny Tagnamaro tandroany satria dia tonga nandray anjara mavitrika i Ramatoa Aida, Solombavam-bahoakin’ny Madagasikara voafidy eto Fort-Dauphin, sy Andriamatoa Lehiben’ny Fileovan’ny Tôlagnaro, nanao tanana niara-nanapaka sy soroka niara-nilanja tamin’ny vondro-kery miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eto Tôlagnaro. Ankasitrahana era-po sy era-tsaina isika rehetra nandray anjara sy naneho fitiava-tanindrazana.